Amin'ny maha iray antsika ao amin'i Tompo no ampitako eto ny filazana manjo amin'ny namoizan' i Rina ny rainy dia Itompokolahy RATSARAMIAFARA Mamintsoa ,izay nodimandry ny Asabotsy 25 Avril teo tamin'ny faha 72 taonany.
Ny nofo mangatsiakany dia mbola ao amin'ny centre hospitalier de Poissy, ka raha misy ny vaovao azo ampitaina amintsika dia homena eto ihany.
Ny famangiana ny fianakaviana Rina sy Malala dia ho tanterahina ny Alahady 31 May 2026 aorian'ny fotoam_pivavahana.
Ny Mpitandrina sy fiangonana dia mitrotro am-bavaka sy mampahery ny fianakaviana manontolo.
FISAORANA
"Isaorana anie Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra." (2 Korintiana 1:3-4)
Amin'ny anaran'ny fianakaviana, dia misaotra antsika rehetra ato amin'ny fiangonana izahay noho ny fiaraha-miory, ny vavaka ary ny fanohanana nasehonareo taminay nandritra izao fotoan-tsarotra izao.
Tena nampahery anay ny fitiavana sy ny firaisankina nasehonareo. Koa mankasitraka indrindra anareo izahay ary mitrotro am-bavaka.
Hitahy sy hamaly soa anareo anie Andriamanitra.
Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra
Misaotra indrindra tompoko.
Rina sy Malala ary ny fianakaviana manontolo