19/11/2026 : Invitation " Devenir Pasteur "
“Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy”. 1 Tim 3 : 1
Ry havana malala ao amin''Ny Tompo,
Ahoana raha miantso anao ho Mpitandrina Andriamanitra ?
Mpianatra teolojia ve ianao ? Efa nanontany tena momba ny antso ho amin'ny asa fitandremana ve ianao ? Sa te hahafantatra bebe kokoa fotsiny ny momba izany asa fanompoana izany ?
Ao anatin'ny tetikasa Repenser la FPMA, miaraka amin'ny Birao Foibe sy ny Vaomieran'ny Mpitandrina (CDM), dia faly manasa anareo izahay hanatrika fihaonana an-tserasera mitondra ny lohateny hoe :
🎙️ DEVENIR PASTEUR : LES BACKSTAGES
📅 Alakamisy 19 Novambra 2026 amin'ny 8 ora alina (ora Frantsay)
💻 Amin'ny Zoom : https://zoom.fpma.church
Ahoana no ipoiran'ny antso ho Mpitandrina ? Ahoana no hamantarana fa antson'Andriamanitra izany ? Inona avy ireo dingana lalovana mba hahatongavana ho Mpitandrina ?
Amin'ny alalan'ny fifampizarana sy ny fijoroana vavolombelona ataon'ireo Mpitandrina sy mpianatra teolojia iray, dia hiara-hahita ny ao ambadiky ny antso ho amin'ny asa fitandremana isika : ireo fanontaniana mipetraka, ny dingana lalovana, ny fanamby atrehina ary ny fifaliana ao anatin'izany asa fanompoana izany.
Tsy natao ho an'ireo izay mieritreritra ny ho Mpitandrina ihany anefa ity fihaonana ity. Mahakasika antsika rehetra ny antso ho amin'ny asa fitandremana : misy ireo antsoina hamaly izany antso izany, ary misy kosa ireo antsoina hampahery, hanampy ary hanohana azy ireo. Amin'ny maha-Fiangonana antsika dia samy manana ny anjara birikintsika isika mba hahafahan'ireo antso ireo mitsiry, mitombo ary mivelatra.
Na mpianatra teolojia ianao, na mbola mandinika ny antson'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, na mpikambana tsotra ao amin'ny Fiangonana, dia misokatra ho an'ny rehetra ity fihaonana ity !
Manantena ny fahatongavanareo maro izahay hiara-hahita, hifampizara ary hifanakalo hevitra momba izany.
Mirary ny fiadanan'ny Tompo ho anareo rehetra.
Ny Birao Foibe FPMA
Ny COPIL Repenser la FPMA
“Cette parole est certaine: si quelqu'un aspire à la charge de responsable, c'est une belle tâche qu'il désire”. 1 Tim 3 : 1
Chers soeurs et frères en Christ,
Et si Dieu vous appelait à devenir pasteur ?
Vous êtes étudiant en théologie ? Vous vous interrogez sur la vocation pastorale ? Ou vous êtes simplement curieux de découvrir ce qui se cache derrière ce ministère ?
Dans le cadre du projet Repenser la FPMA, en collaboration avec le Bureau Central et la Commission des Ministères, nous avons le plaisir de vous inviter à une rencontre en ligne :
🎙️ DEVENIR PASTEUR : LES BACKSTAGES
📅 Jeudi 19 novembre 2026 à 20h00
💻 Sur Zoom : https://zoom.fpma.church
Comment naît une vocation pastorale ? Comment discerner un appel ? Quel chemin parcourir pour devenir pasteur ?
À travers les échanges de pasteurs et le témoignage d’un étudiant en théologie, nous vous invitons à découvrir les coulisses de cette vocation : les questionnements, les étapes du parcours, les défis et les joies du ministère pastoral.
Cette rencontre ne s'adresse pas uniquement à celles et ceux qui envisagent de devenir pasteurs. La vocation pastorale nous concerne tous : certains sont appelés à y répondre, d'autres à l'encourager, à l'accompagner et à la soutenir. En tant qu'Église, nous avons tous un rôle à jouer pour que ces vocations puissent naître, grandir et s'épanouir.
Que vous soyez étudiant en théologie, en plein questionnement ou simplement membre de notre Église, vous êtes tous les bienvenus !
Nous espérons vous retrouver nombreux pour ce temps de découverte, de témoignages et d'échanges.
Fraternellement en Christ,
Le Bureau central de la FPMA
Le COPIL Repenser la FPMA