• 24/09/26: Hetsika STK Fafats. Efa nanaparitaka ny momba izany tamin'ny rehetra, ireo tompon'andraikitra.
• 24/09/26: M. John Divine Efomi sy Marie France Asengo/ Didier et Faraniaina Rakotoson, dia faly manambara amintsika ny fanambadian'ny zanak'izy ireo, Andy sy Maeva. Izany dia hatao ao amin'ny Domaine Des Rois 77830 Echouboulains.
• 27/09/26: Alahadin'ny MPITANDRINA Port Royal Arago. Pasteur Toky RAKOTO, Pasteur Fitandremana any Nice, sady Président ny FMM no mitory Ny Teny. Misy ny valopy fandraisana anjara amin'izany. Hisy collation aorian'ny fotoana, ka iangaviana samy hitondra tsakitraky mamy sy masira isika.
• 02/10/26: Fivorian'ny Komity.
• 04/10/26: Miatomboka ny fetim-bokatra ka ny SSA&SZM no mitarika ny fotoana. Afaka manao hetsika na varotra hanatevenana ny kitapom-bokatra.
• 11/10/26: Mitarika ny fotoana ny SVK&SFI. (Misy varotra sakafo na zavatra hafa).
• 18/10/26: Mitarika ny fotoana: SLK&AMF(Tsy hadinoina ny hetsika).
• 24/10/26: Célébration des 30 années de ministère pastoral du Pasteur Solo et sa famille 🙏
10h30 Culte et 14h00 Repas
3 Place Saint Jean - 75017 Paris
👉 Pour faire un don au jubilé : https://www.helloasso.com/associations/fpma-vatofehizoro-eglise-protestante-malgache-en-france-paroisse-vatofehizoro/formulaires/1
• 25/10/26: Mitarika ny fotoana ny STK. Aoka samy hanomana hetsika hitadiavam-bola ny sampana tsirairay.
• 01/11/26: Famaranam-bokatra. Eto no arotsaka ny valopy natokana ho an' izany ho an'ireo mbola tsy nandrotsaka. Hisy sakafo agape aorian'ny fotoana.
• Mitohy hatrany :
1/ Ny alim-bavaka isaky ny alatsinainy amin' ny 8 ora alina.
2/ Toraka izany koa ny fampianarana KNPL, amin' ny 8 ora alina koa. Izany rehatra izany dia tanterahina amin' ny alalan' ny zoom.
Avy any ivelany:
• 19/09/26: - Komitim-paritany(9h-12h), Sinodam-paritany(14h-17h), izay hatao any Plaisir, 2 rue Calmete 78370 Plaisir.
- Hetsika STK Fafats, afaka manantona ny tompon'andraikitra STK (Miora) amin'ny fandaharana.
• 10/10/26: fanasana, avy ao amin'ny Fitandremana Etampes.
• 18/10/26: Zaikabe SVKI&SLKI, mifarana ny 15 Septambra izao ny fisoratana anarana.