Filazan-draharaha eto anivon’ny fiangonana ny Alahady 04/10/2026
Momba ny fetim-bokatra, volana oktobra.
Ny sampana velona eto anivon’ny fiangonana no mitarika ny fotoampivavahana ka noho izany :
11/10/26: ny SVK sy ny SFI no mitarika
18/10/26: ny SLK sy AMF no mitarika
25/10/26: ny STK no mitarika
22/11/26: famaranam-bokatra. Fotoana mbola ahafahana mandrotsaka ny valopim-bokatra ho an’ireo izay maniry hanantanteraka izany. Hisy fiaraha misakafo aorian’ny fotoana. Ny fandraisana anjara dia 25€ ho an’ny lehibe ary 10€ ny ankizy.
24/10/26: Hetsika levé de fond STK – comédie musicale ao amin’ny Maison fraternelle (37 Rue Tournefort Paris 75005).
Mitohy hatrany ny Alim-bavaka/étude biblique isaky ny alatsinainy hariva amin'ny 8 ora alina, amin'ny zoom. Toy izany koa ny fampianarana KNPL, isaky ny alarobia amin’ny 8 ora alina, amin’ny zoom.
Fahaterahana : Arabaina i Jonathan sy Brenda noho ny fahaterahan’i zanak’izy ireo Roméo.
Filazana manjo : nodimandry ny 01/10 Andriamatoa Hery Mampianina RANAIVOSOA, rafozan’i Elise zanak’i Ertz sy Corinne.
Avy any ivelany
• 10/10/26: Fetim-piangonan’i FPMA Etampe.
• 18/10/26: Zaikabe SVKI sy SLKI, izay hatao any Dijon.
• 24/10/26: Fetim-piangonan’i Yvelines-Fahazavana.
• 24/10/26: Fankalazana ny faha 30 taona ny ministera pastoraly ny Pastera Solo sy ny fianakaviany.