FILAZAN-DRAHARAHA ALAHADY 15 NOVEMBRE 2026
-Fisaorana ny Mpitandrina Raharijaona Marie Angèle, izay nitondra ny Teny sy nitoriteny.
-Alahady famaranana ny SYNÔDA lehibe, izay nanomboka ny alakamisy 12 novembre(culte par zoom), izayy natao tany Caen ny asabotsy 14 sy alahady 15 novembre 2026. Nandeha namonjy izany ny Mitandrina sy ny Fifohan’ny FPMA Arago, toy ireo Fitandremana FPMA rehetra eto France.
17 novembre 2026 : fivorian’ny Komity, amin’ny 20H30, amin’ny zoom, handinihana
ny fanomanana ny Famaranam-bokatra.
-22 NOVEMBRE 2026 : Famaranam-mbokatra, ampatsiahivina ireo izay mbola tsy nahavita ny fanateram-bokatra, fa mbola misy ny valopy hanaovana izany.
Eo amin’ny fikarakarana ny sakafo aram-pirahalahiana dia hohamafisina amin’ny fivorian’ny Komity amin’ny talata 17 novembre izao, ny andraikitra izay noraisin’ny tsirairay,(efa any amin’ny tableau naparitaka). Ny fandraisana anjara dia 25 euros ny
an’ny olon-dehibe, ary 10 euros ny an’ny ankizy ?
-Fampianarana ireo maniry handray ny fanasan’ny Tompo, dia isaky ny alahady hariva amin’ny 7H30. Miantso ny Mpitandrina izay maniry hanao izany.
-Mitohy hatrany ny alim-bavaka, fanao isaky ny alatsinainy hariva amin’ny 8 ora alina.
Alahady misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo, rakitra roa toy ny mahazatra.
AVY ANY IVELANY
Mitohy hatrany ny fiofanana SAP/KNPL isaky ny alarobia amin’ny 8 ora alina.