FILAZAN-DRAHARAHA ALAHADY 8 NOVEMBRE 2026
-Anio, alahady anaovana vavaka sy fifadian-kanina, fandaharana FPMA.
-Eto amin’ny 37 rue Tournefort 75005, Maison Fraternelle ihany ny fotoam-pivavahana amin’ny alahady herin’ny anio. Amin’ny 10 ora sy sasany.
-FAMARANAM-BOKATRA 2026, izay hatao ny alahady faha 22 novembre izao, koa mampatsiahy izay mbola tsy nahavita ny fanateram-bokatra, fa mbola misy ny valopy natokana ho amin’izany.
Entanina koa isika amin’ny fikarakarana ny sakafom-pifaliana, mba hijery sy hameno ny tableau izay naparitaka, misy ny asa ho an’ny tsirairay.
Averina eto fa ny fandraisana anjara dia 25 euros ho an’ny olon’dehibe, ary 10 euros ny an’ny ankizy.
-Mitohy hatrany ny alim-bavaka fanao isanky ny alatsinainy amin’ny 8 ora alina, amin’ny alalan’ny zoom, izay anasana ny rehetra.
-Efa nanomboka ny KT, fiofanana ho an’ireo maniry ho mpandray ny fanasan’y Tompo ; izay atao isky ny alahady hariva, amin’ny 7 ora sy sasany.
Avy any ivelany :
-Vita soa aman-tsara omaly asabotsy ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny SZM Fafats ; ka isaorana sy omem-boninahitra amin’izany Andriamanitra.
-SYNODA lehibe, izay hatao manomboka ny alakamisy faha 12 novembre izao, hisy fotoam-pivavahana amin’ny alalan’ny zoom, amin’ny 9 ora alina. Toy izao ny fandraisana anjara amin’izany :
Mitarika : Ny Mpitandrina RAVELOSON Josiane
Famakiana ny Salamo 106 :1-8 : FPMA ARAGO
Mitoriteny : Ny Mpitandrina ANDRIANOMENJANAHARY Solo
Vavaka fihaonana : FPMA FIHOBIANA
Vavaka hampahazava ny Teny : FPMA GRANDS CHAMPS
Vakiteny voalohany : FPMA ORLEANS
Epistily : FPMA ETAMPES
Filazantsara : FPMA VINCENNES
Fanekempinoana 1 : FPMA MELUN
Filazam-baovao Fafats : Ny Filohan’ny Fafats
Vavaka fisaorana sy fangatahana : FPMA EVRY /YVELINES/VATOFEHIZORO.
Asabotsy 14 sy 15 novembre, izay hatao any Caen.