FILAZAN-DRAHARAHA ALAHADY 1 NONEMBRE 2026.
- Hankalaza ny « famaranam-bokatra isika ny alahady faha 22 n ‘ity volana ity, ka notapahana tamin’ny fivoriana izay natao tamin’ny zoma hariva ny fikarakarana momba ny sakafom-pifaliana.
Misy tableau naparitaka momba izany ao amin’ny « komity Arago » ; ka aoka samy hijery sy handinika izay hataony ; ary hameno ny tabilao. Raha misy manana olana amin’ny famenoana izany dia aoka izy hilaza amin’i Ertz na amiko, na amin’ireo izay afaka hameno ny tableau...
tsara ho marihina eto, fa efa vonona ny tapakila fandraisana anjara, 25 euros ny an’ny lehibe ; ary 10 euros ny an’ny ankizy.
Ireo izay tsy mbola nandrotsaka ny valopim-bokatra dia mbola afaka manao izany.
- mitohy hatrany ny alim-bavaka, izay fanaontsika isaky ny alatsinainy hariva amin’ny 8 ora alina, amin’ny alalan’ny zoom, manasa antsika mba ho avy amin’nizany, fa tena mahasoa tokoa ny fampianarana azo amin’izany.
Alahady voalohan’ny volana, misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ka asaina izay mpandray rehetra, fa ny Tompo no manasa antsika.
Toy ny mahazatra, dia rakitra roa ka azo atao par carte bancaire.
Alahady 8 novembre, eto amin’ny 37 rue Tournefort ihany no fotoana amiiny 10 ora sy sasany.
Manomboka anio hariva amin’ny 7 ora sy sasany ny KT(fiofanana ho an’ireo izay maniry horaisina mpandray ny fanasan’ny Tompo. Koa iangaviana hiantso ny Mpitandrina izy ireo.
AVY ANY IVELANY .
SZM Fafats mankalaza ny faha-folo taonany. Hisy ny fampisehoana an-tsehatra izay hataon’izy ireo anio hariva :
izany dia atomboka amin’ny fanompoam-pivavahana-amin’ny 5 ora hariva , arahan’ny collation de bienvenu.
Ny fampisehoana an-tsehatra dia manomboka amin’ny 7 ora hariva ; hisy hira iray hiarahan’izy ireo miaraka ami’ny AMF Fafats : « GLOIRE DE DIEU ».
Ny sampana SVK dia mandray anjara tsakitsaky masira 50 isa, hanatevenana ny collation isaky ny Fitandremana.
mitohy hatrany ny fiofanana SAP/KNPL isaky ny alarobia amin’ny 8 ora alina amin’ny alalan’ny zoom.
Misy ihany koa ny fitondrana am-bavaka manokana ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma amin’ny 12 -12h30 amin’ny zoom FPMA .
Formation permanente ; amin’ny asabotsy izao no fara-fisoratana anarana. Mila tonga mianatra ny asabotsy 7 novembre 2026 amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny 12 rue Monmory-Vincennes 94300.