"La grâce de Dieu, source de salut pour tous les hommes, a été révélée" Tite 2:11
"Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra" Titosy 2:11
Dimanche 08 Février 2026
10h00
37 rue Tournefort
75005 Paris
ANNONCES du Dimanche 25 Janvier 2026
☆ 08/02/26: Fotoam_pivavahana sy fanaovam-batisa an'i
RAKOTOMALALA Elina Tantely sy RAKOTOMALALA Karl Andry.
Ny fotoana dia aroso amin'ny 10h00
☆ 15/02/26: Fifidianana ny biraon'ny fiangonana hiasa mandritry ny roa taona ka iantsoana ny diakona rehetra sy
ho eo ambany fitantanan'ny vaomieran'ny fifidianana ( Pasteure sy ireo mpikambana )
Fanonkanana sy fandraisan-tanana ireo Diakona voafidy hiasa roa taona manaraka izao.
☆ 22/02/26: AG (fivoriambe) FPMA Arago. Entanina ho tonga daholo ny vahoakan' Andriamanitra rehetra,
fa zava-dehibe no hodinihina sy hotapahana amin'izany.
VAOVAO AVY ANY IVELANY.
▪︎Nisy ny fanolorana ireo birao vaovao, ka isika eto Arago dia manana ny andraikitra Vice Président, ka Atoa Rakotomalala Ertz no notendren'ny komitim-piangonana hanatanteraka izany.
▪︎Naseho teo koa fa nijoro ny Sampana Lehilahy Iraisana, ka isika Arago dia manana andraikitra Mpanolontsaina, izay iandraiketan'i Atoa Eric Rakotomalala.
▪︎Ary natolotra teo koa ny birao vaovaon'ny AMF Fafats, ka isika Arago dia manana andraikitra Mpitantsoratra, izay sahanind- Rtoa Gisèle F. ANDRIASAMY.
▪︎Notanterahana tamin'izany koa ny fisaorana sy ny fankasitrahana ny Mpitandrina Théodore Randriamanantena, izay nisotro ronono, taorian'ireo taona maro nanaovany ny asa maha Mpitandrina azy.
☆ Mitohy hatrany ny fampianarana SAP/ KNPL, isaky ny alarobia amin'ny 8 ora alina, izay atao amin'ny alalan'ny Zoom. Ny lohahevitra amin'izany dia: " Ny finoana tsy arahina asa dia maty"( la foi sans les œuvres est morte). Hisy koa ny vaovaon'ny FPMA, ka Atoa Roland Ratiarison no hanao izany.
☆ 07/02/26 amin'ny 7 ora hariva, rindrankira ho fitadiavam-bola ho an'ny AMF Fafats(levée de fonds), hanamaivanana ny saran-dasy amin'ny CU.
Misy tapakila 20 amidy, isaky ny Fitandremana, ka 15 euros ny vidin' ny tapakila iray.
Hisy koa ny varotra barquettes tsakitsaky mamy sy masira, amin'io hariva io.
FAfAts Birao vaovao 2026-2027 (Faritany Afovoany Atsinanana)
Mbola tsy eto ny avy ao amin'ny Tafo 3 Fpma (Paris Fihobiana, Vato Fehizoro ary Vincennes)
Région Centre Est
De droite à gauche :
Présidente : RANDRIAMANANTENA Nissya (Orléans )
Vice-Président : RAKOTOMALALA Ertz (Port-Royal Arago)
Secrétaire : RAMIANDRASOA Bodo (Yvelines Fahazavana)
Gestionnaire : RANOVONA René (Etampes)
Trésorière : RATSIMANDRESY Harilala Grégoire (Grands Champs)
Secrétaire : RABE Hantanirina (Melun)
Conseillère : RAVALISAONA Hanta (Evry)
Fitsanganan'ny FAfAts SLK 2026-2027 (Sampana Lehilahy Kristianina)
Isika Fpma Port-Royal Arago dia manana andraikitra Mpanolontsaina izay iandraiketan'i Atoa Eric RAKOTOMALALA.
FAfAts AMF 2026-2027 (Antoko Mpihira akon'ny Famonjena)
Vita tamin'ny 17/01/2026 tany Voisenon (77950) ny fanolorana ny birao vaovao 2026-2027 an'ny AMF.
Isika Fpma Port-Royal Arago dia manana andraikitra Mpitantsoratra izay sahan'i Rtoa Gisèle Francine ANDRIASAMY.
04/02/2026 : Formation " Vaincre la peur "
07/02/2026 : “Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy” Isaia 12:2b
22/02/2026 : AG2026 Fivoriam-ben'ny Fiangonana
Ny tanisadinika amin'izany dia :
1 / Tatitry ny zavabita 2025
2 / Bilan financier 2025
3 / Ireo vinavina ho amin'ny taona 2026
4 / Budget 2026
5 / Samihafa
Zavadehibe eo amin'ny fianam_piangonana no ho dinihana amin'izany koa manantena ny fanatrehantsika rehetra
28/02/2026 : Repenser la FPMA
Cette journée sera dédiée à la réflexion, à l’écoute et au partage, afin de construire ensemble notre Église et de relever les défis auxquels elle fait face aujourd’hui.
Comme l'année dernière, nous vous invitons à venir vous exprimer sur tous ces sujets et à partager cet événement autour de vous.
Nous vous remercions grandement par avance pour votre mobilisation pour notre église commune.
Que le Seigneur continue de vous bénir et de vous encourager dans vos vies.
Soyez pleinement bénis.
25/12/2025 : Hafatra Pastoraly
Pasteur Synodal
Dr Seth RASOLONDRAIBE
Isaia 52.7 - 10
Faly miarahaba antsika rehetra nahatratra ity Krismasy 2025 ity, ry Havana.
Ny Tenin’Andriamanitra natokana ho antsika amin’izao andro hankalazantsika ny nahaterahan’i Jesosy Tompo izao dia hita ao amin’ny Isaia 52.7-10.
Fihirana izay ao amin’ilay antsoina hoe “Hiran’ilay Mpanompo”, mialoha ny hira faha-efatra izay fantatra amin’ny hoe “Mpanompo mijaly”.
Mizara telo ity hira ity:
1. Andininy 7 — Vaovao mahafaly
« Akory ny hatsaran’ny tongotr’izay mitondra teny soa mahafaly eny an-tendrombohitra, sady mitory fiadanana! Izay mitondra teny soa mahafaly sy mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao! »
Tononkira faminaniana ho an’ireo vahoakan’Andriamanitra nentina ho babo tany Babylona nanomboka tamin’ny 587 talohan’i Kristy izany. Resin’i Nebokadnezara ny Joda noho ny ditrany, ka navelan’Andriamanitra niharan’ny fahababoana 70 taona.
Nefa niova ny tantara: nihamalemy ny Babylônianina, fa natanjaka kosa ny Persiana notarihin’i Kirosy. Midika izany fa manakaiky ny fanafahana. Izany no vaovao mahafaly entin’ilay Mpanompo: Andriamanitra Mpanjaka no mitondra famonjena.
2. Andininy 8–9 — Antso ho amin’ny fifaliana
«Injany ny feon’ny mpitilinao! Manandratra feo izy ka miara-mihoby; fa faly izy mahita mifanatri-maso ny fiverenan’i Jehovah ho any Ziona. Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema! Fa Jehovah efa nampionona ny olony, sady nanavotra an’i Jerosalema. »
Rava tanteraka tokoa i Jerosalema: matin’i Nebokadnezara ny mpanjaka, ary potika ny Tempoly. Kanefa ny Tenin’Andriamanitra manambara fa hiverina Izy: hanavotra, hampionona, hanarina.
3. Andininy 10 — Famonjena ho hitan’ny firenena rehetra
« Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason’ny firenena rehetra; ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitsika.»
Tsy ho an’i Joda sy Ziona irery intsony ny famonjena, fa ho hitan’izao tontolo izao.
Hafatra ho antsika amin’izao Krismasy izao.
Raha atambatra ireo teny telo anjarantsika anio dia mazava ny hafatra:
• Isaia manambara ny fahatongavan’ Andriamanitra hamonjy
• Ny Epistily ho an’ny Hebreo kosa milaza fa tanteraka izany tamin’i Jesosy Kristy.
• Jaona dia manambara fa Jeso Ilay Teny mandrakizay tonga nofo no nonina tato amintsika. Ao Aminy no ananganan’Andriamanitra antsika ho zanany.
Fanontaniana ho an’ny Kristiana Malagasy
Azo ampifandraisina ve ny vaovao mahafaly lazain’i Isaia amin’ny and 7 sy ny zava-niainan’ny firenentsika tato ho ato?
Azo heverina tokoa, nefa tandremo: Ny tena fahababoana tsy ilay endrika ara-politika na ara-toekarena fotsiny, fa ny fahababoan’ny fo sy ny saina, andevon’ny ota: fitiavan-tena, fitiavam-bola, fijangajangana. Jesosy hamaha ireo fatorana ireo, hanavao ny fiainantsika, ary hitondra antsika ao amin’ny fahafahana marina. Aoka handray Azy isika.
Dr Seth Rasolondraibe
25/10/2025 : 20ème Anniversaire de la Fpma Port-Royal ARAGO
Demande de rendez-vous avec Pasteure
Mot de notre Pasteure
Je te salue, au nom de Jésus Christ, toi à qui une grâce a été faite, le Seigneur est avec toi.
Les problèmes qui inquiètent le monde aujourd’hui, c’est d’abord la sécurité et puis le pouvoir d’achat. La politique de tout bord semble incapable de trouver la solution idéale. Quand la survie est en jeu, on oublie facilement la dignité, les bonnes manières, la fraternité, les grandes devises humanistes. Désormais, chacun pour soi, les gens ne se parlent que de leurs peines. La vie devient un désert d’égoïsme, de désespoir, de défaite et la mort attend au bout. La fin de vie devient un sujet politique constitutionnel.
Le Psalmiste dit qu’ « ils marchent dans les ténèbres. Tous les fondements de la terre sont ébranlés ». (Ps 82.5)
C’est pour cela que Jésus nous dit : « Je suis la lumière du monde. Celui qui me suit ne marchera pas dans les ténèbres : il aura la lumière de la vie. » (Jean 8.12)
Dans l’Ancien Testament, Israël devait suivre la colonne de nuée et la colonne de feu. Le jour où ils ont refusé de suivre, parce qu’ils n’ont pas cru qu‘ils pourraient vaincre les géants de la terre promise avec l’aide de Dieu, Dieu les a punis. Ils sont morts dans le désert. Ils n’ont pas voulu suivre la lumière de Dieu.
Dieu a toutefois continué de guider son peuple avec ses élus, par sa lumière. Tous ceux qui ont cru et qui ont suivi cette lumière de Dieu sont entrés vainqueurs dans la terre promise.
Mais la nuée et le feu procuraient seulement une lumière physique pour les guider dans les difficultés du désert. C’est une lumière extérieure qui est miraculeuse mais qu’ils peuvent renier devant les grands obstacles.
La lumière que Jésus nous procure est une lumière spirituelle. Elle est à l’intérieure de nous, dans nos cœurs, par l’œuvre du Saint-Esprit. « Celui qui me suit […] aura la lumière de la vie. » Cette lumière appartient maintenant à ceux qui croient en Jésus. C’est une lumière qui nous transforme, nous fortifie, nous rend sage et obéissant en la Parole, confiant en la présence divine qui œuvre et agit à travers nous dans le monde.
Nous ne marcherons plus dans l’obscurité de notre ignorance spirituelle et morale. Nous aurons la lumière de la vie qui procrée dans nos vies « le fruit de l'Esprit, c'est l'amour, la joie, la paix, la patience, l'amabilité, la bonté, la fidélité, la douceur, la maîtrise de soi ». (Gal 5.22-23).
A Dieu seul soit la gloire pour les siècles des siècles.
Diacres et anciens de l'église
Étude biblique hebdomadaire
Actualités de l'église du mois
Prédication
Bureaux de l'église et président des sections
Demande de rendez-vous avec Pasteure
Annonces de la semaine
SAP/KNPL
La vie de notre église en photos
SAMPANA VELONA
L’Église Protestante Malgache en France ou « Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy » :
Croit en Dieu le Père, en son Fils Jésus Christ et en l’Esprit Saint.
Croit et reconnaît que Jésus Christ est Seigneur, Dieu et unique Sauveur du monde.
Croit et reconnaît que l’Évangile est la Puissance de Dieu pour le salut de tous les croyants.
Reconnaît et enseigne à ses membres que la Parole de Dieu, contenue dans les Saintes Écritures, Ancien Testament et Nouveau Testament, constitue pour elle la source et la règle sur lesquelles s’appuient sa foi, sa vie, sa doctrine et ses œuvres.
Reconnaît et adopte la confession de foi commune à l’Église Universelle (Symboles Œcuméniques que sont le Symbole des Apôtres, le Symbole de Nicée et le Symbole d’Athanase ainsi que les confessions de foi de la Réforme notamment la confession de foi de la Rochelle et la confession de foi d’Augsbourg Invariata).